Accueil |  Humour | Macintosh | Print66 | Sélection | Éditeur 

Sonegaly

Ieee ê ! Sonegaly mainty be izao no ho resahiko.
Nangorombitsika,
Izany ny tenako,
Raha naheno,
Ny habibiana,
Hatrany amin'ny gazety sy ny Internet.

Sonegaly nampijaly,
Karavasy naharary,
Ny vehivavy novetaina,
Ny entan'olona robaina.

Ieee ê ! Rahoviana isika no hanavaka ny ratsy sy ny tsara ê ?

Ieee ê ! Tetika politika ny fampiadiana ny samy mainty ê.

Fa ny Sonegaly dia naratra.
Nitolona tsy omby tratra,
Nitady koa fahaleovan-tena,
Nihosin-drà nanetri-tena.
Ireo naratra nahonena,
Nodian-tsy hita tsy jerena.

Ieee ê ! Fatin'olona tsy tambo isaina anie ery anaty ala kely ery ê !

Ieee ê ! Isika samy mainty indray ve no hiady ê ?

Fa ny baikon-tsonegaly,
Niharetana narary,
Ka ahoana mbola hiady,
Sa ho to fo dia mpamosavy ?

Efa dimampolo taona lasa,
Aoka hiova ny fomba fiasa.

Fikafika politika,
Aza avela ho rà mandriaka,
Fa masina ny ràn'ny razana.
Ny tanintsika mihangazana.
Dia eto isika no mifampitazana.

Ieee ê ! Be loatra ry zalahy ny mamirapiratra poak'aty ê !

Mainty ve ilay Sonegaly ? Sonegaly mainty be. Mainty ve ilay Sonegaly ?
Mainty ve ilay Sonegaly ? Sonegaly mainty be. Mainty ve ilay Sonegaly ?

Sonegaly
© Hanitra Rasaonaivo
Tarika - Album Son Égal
© 2002 Barijaona Ramaholimihaso
Dernière mise à jour : 4/07/02; 21:05:20